<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Hianao, ry Kristy
 Tompo,
 No hasiniko izao,
 Avy aho, fa mpanompo,
 Hiankohoka Aminao,
 Raiso re ny dera saotra
 Tena mendrika
 ho Anao ;
 He ! ny foko faly loatra,
 Faly mba hanaja Anao.

[V2]
 Izao no tena faniriako :
 Ny ho velona Aminao,
 Ka hitoeranao ny foko,
 Fa tsy holalovanao ;
 Eny, Tompo ô ! monena,
 Mba monena ao tokoa,
 Izay no tena famonjena
 Izay no mahafatra-po.

[V3]
 Tsy ho orin-java-tsoa
 Izay rehetra itoeranao,
 Tena sambatra tokoa,
 Raha ny fo no lapanao,
 Mandrosoa, fa vohako
 Ho Anao ny foko izao ;
 Eny, Tompo, fa vohako,
 Koa midira Hianao.</lyrics>
<title>Hianao ry Kristy Tompo FFPM447</title>
<hymn_number>447</hymn_number>
<author>I.D. Sankey</author>
</song>